Izahay dia vondron’olona, lehilahy sy vehivavy tsy ankanavaka, nokasihan’i Yehôshoa (Jesosy). Ny Fanahy Masina no nandresy lahatra anay tamin’ny fahotana, nisarika anay ivelan’ny fombafombam-pivavahana sy ny entindrazana rehetra tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’i Elohima. Mandeha sy miaina isan’andro amin’ny fifankazarana amin’i Yehôshoa (Jesosy), anatina fifandraisana velona sy tsotra ao anatin’ny fankatoavana ny Teniny.
Ao anatin’ny fiainam-pibebahana, fahamasinana, finoana ny asam-pamonjeny teo amin’ny Hazo Fijaliana, finoana ny fiverenany eny amin’ny rahon’ny lanitra haka ny Fiangonany Masina. Ny fanantenana ny fihaviany indray sy ny fandehanana araka ny Fanahy mandritra ny fivahinianana ety amin’izao tontolo izao izay fandalovana ihany.

Mino izahay fa Yehôshoa (Jesosy) no Elohima, ary tsy misy ahazoana famonjena raha tsy ao Aminy. Izy no Làlana sy Fahamarinana ary Fiainana ( Jaona : 14:6)

Miverina amin’ny loharano izahay ny amin’ny Anarany, noho ny fandresen-dahatra sy ny fankatoavana.
Ary tsy manameloka velively ireo rehetra Zanak’i Elohima izay miantso marina  ny Anarany amin’ny dikanteny hafa.

Nous sommes des hommes et des femmes  de toutes origines, de toutes générations touchés par Yéhoshoua (Jésus), sans distinction . Et par Son Saint Esprit nous a convaincu du péché, nous emmenant hors de la religion et des dénominations, des traditions des hommes; et nous emmenant chaque jour dans une relation vivante avec Sa personne, marchant dans la repentance, la sanctification, la foi en Son œuvre rédemptrice à la croix, l’éspérance de Son avènement, et de l’enlèvement de l’Eglise, la marche par l’Esprit.

Nous croyons que Yéhoshoua (Jésus ) est notre Elohim, et qu’en dehors de Lui, il n’y ait point de salut, qu’Il est le chemin, la Vérité et la Vie (Yohanan (Jean) 14 :6).

Nous revenons à la source de Son Nom, par respect et conviction et il a été décidé que nous utiliserons sur ce site le nom de Yéhoshoua, et nous ne portons aucun jugement sur tous ceux qui invoquent sincèrement le nom du  Seigneur,  traduit en une quelconque langue.